airtel

Fandriampahalemana

04-nov-2022

Fandriampahalemana

Ambodin’Isotry Maty voatsindron’antsy ilay mpanao cash point

Sample post image

Ramatoa iray mpanao cash point eo akaikin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe Bazarma , Ambodin’Isotry omaly alakamisy 03 novambra no notsindromin’ny jiolahy tamin’ny antsy.

04-nov-2022

Lasan'ireo mpanao ratsy tamin'izany ny kitapo iray nisy vola mitentina 1 tapritrisa Ar sy finday miisa 03 . Minitra vitsy taorian'io tranga io dia tonga teny an-toerana ny Polisy. Raha ny filazan'ireo nanatri-maso dia tovolahy miisa 02 no nanao izany asa ratsy izany saingy natahotra ihany koa ny manodidina ka tsy nisy sahy nihetsika. Tsy niandry ela ny Polisy fa avy hatrany dia nanao bemidina ka nisafo ireo toerana mety nandosiran'ireo jiolahy mpamono olona ireo. Lehilahy miisa 05 no voasambotry ny Polisy tamin'izany ka ny 02 tamin'izy ireo no fantatra fa nanao ilay asa ratsy . Ilay Ramatoa nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny kosa amoy ny ainy avy hatrany raha vantany vao tonga teny amin'ny hopitaly.
Pati
Legende : Mitombo isa ireo mpanao cash point matin’ny jiolahy
 

Dans la même rubrique