airtel

Fandriampahalemana

17-août-2021

Fandriampahalemana

Ambodin’Isotry Mitsindrona rongony ireo mpamaky trano

Sample post image

Lehilahy miisa 4 nikasa hamaky trano teny amin’iny faritry ny EPP Ambodin’Isotry iny no saron’ny mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily ny 14 aogositra lasa teo.

17-août-2021

 Rehefa nosavaina izy ireo dia mbola tratra teny aminy ny antsy lava lela iray sy « seringue » iray fampiasain’izy ireo hitsindromana rongony ; izay mahery vaika kokoa fa tsy tahaka ny rongony fohana ary tena mahatonga olona iray hahavita zavatra mety tsy fanaony. Raha araka ny fantatra dia efa mpamerin-keloka izy efa-dahy ireto. Ankoatra ny asa famakian-trano tahaka izao dia mahavita manendaka ihany koa izy ireo ka ireo elakelan-trano rehefa sendra azy dia hanaovany ny asa ratsiny avokoa. Omaly alatsinainy ihany koa no natolotra ny fitsarana izy ireo ary fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap