airtel

Fandriampahalemana

23-juil-2021

Fandriampahalemana

Ambodin’Isotry Tovovavy mpianatra nendahina lehilahy roa

Sample post image

Lehilahy 02 no saron’ ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP4 Isotry teny amin’ny faritra Ambodin’Isotry ny Alarobia lasa teo raha mbola teo am-panendahana.

23-juil-2021

 Tokony ho tamin’ny 01 ora sasany tolakandro no nisehoan’ity tranga ity ka tovovavy mpianatra iray no lasibatra tamin’izany. Niantso vonjy ity farany ka polisy nanao fanamiana sivily nanao fisafoana teny amin’ny manodidina no nisambotra ireto olon-dratsy ireto. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo moa dia fantatra fa vao nivoaka ny fonjan’Antanimora noho ny resaka fanolanana ny iray tamin’izy ireo. Efa tonga nametraka fitoriana moa ilay tovovavy voaendaka ity ka mitohy ny fanadihadiana azy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique