airtel

Fandriampahalemana

23-août-2022

Fandriampahalemana

AMBODIRANO AMPEFILOHA Mifoka roro vao manendaka ireo jiolahy, 3 no tratra

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny PPA 3 Ilanivato ny tovolahy miisa 3 izay mpanendaka eny amin'iny faritra Ampefiloha Ambodirano Etoile rouge iny ny 20 Aogositra lasa teo.

23-août-2022

Ny 19 agositra 2022 tamin'ny 5ora maraina raha tsiahivina dia mpiasan’ny haino aman-jery niandry fiara karetsaka teo amin'io toerana no notilitilian’izy telolahy ireto. Tsikaritr'izy ireo fa nilalao finday izy tamin’izany ka nanatonan'izy ireo avy hatrany. Ny iray tamin'izy ireo nanosika, ny faharoa naka ny finday ary ny iray ambiny kosa nanambana antsy no sady nandrahona ny hanomezany ny vola sy ny finday teny aminy. Lasan’ izy ireo tamin'izany ny finday sy vola mitentina 900. 000 Ar tao anaty porte feuille. Nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa azony izay nilainy. Nifampizaran’izy ireo ilay vola , ny finday kosa namidiny. Niezaka ny nikaroka azy ireo ny polisy nandritra izany ka tamin’io 20 Aogositra io no tratra ny iray. Fantatr’ilay niharam-boina ny endrika amam-bikan’ ireo nahavanon-doza, ka mora ho an’ny polisy ny namantatra azy. Nanolo-tena kosa ny roa tamin'izy ireo. Eny amin'iny faritra Etoile rouge sy CENAM ary garazy iny no toerana fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny .Tsy mifidy izy ireo amin’izany fa izay mifanehitra aminy dia endahiny avokoa. Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa mitsindrona zava-mahadomelina izy ireo ary mahalany roro iray isan’andro. 22 taona no lehibe indrindra amin’izy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap