airtel

Fandriampahalemana

02-févr-2021

Fandriampahalemana

Ambodirano Ampefiloha Nosavoritahan’ny mpanendaka izy mianaka, lasa ny 50.000 Ar

Sample post image

Lehilahy iray 25 taona no tratra nanendaka teny Ambodirano Ampefiloha ny 30 janoary lasa teo.

02-févr-2021

 

 


Olona mianaka nitsofoka teo amin’ny étoile rouge no narahan’ity lehilahy ity avy any aoriana . Nisavoritahan’ ilay mpanendaka izy ireo ka lasany tamin’izany ny vola 50.000Ariary sy ny finday marika « techno ». Niantso vonjy ilay niharam-boina ; nanampy ihany koa ny manodidina no sady nisy niantso polisy ka noraisim-potsiny ilay tovolahy. Nentina avy hatrany eny amin’ny paositry ny Polisy Ilanivato nanaovana fanadihadiana. Efa nigadra teny amin’ny fonjan’ Antanimora ity tovolahy ity tamin’ny taona 2020 noho ny resaka halatra toy izao ihany. Andavamamba, Ambodirano Ampefiloha , Anosipatrana ny toerana fanaovany ny asa ratsy ary tsy mifidy fotoana. Natolotra ny fampanoavana omaly moa izy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap