airtel

Fandriampahalemana

04-mars-2021

Fandriampahalemana

Ambohibao Atsimo Azo hatao maodely amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana

Sample post image

Azo hatao maodely amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny kaominina ambanivohitra Ambohibao Atsimo,

04-mars-2021

 

distrikan’i Manjakandriana. Manana ilay fomba fiasa mampiasa “boite noire” mantsy ny kaominina raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Bariniaina Fidy. Ao anatin’izany ny isan-tokantrano no mandrotsaka ny anaran’ireo olona mety ahiahiana ao an-tanana hanao ratsy ka raha sanatria misy anaran’olona miverimberina dia arahin’ny mpitandro ny filaminana maso avy hatrany izy ireny. Betsaka ireo lasa natahotra noho izany, antony nanafoana tsikelikely ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Na izany aza dia nambaran’ity Ben’ny tanàna iray ity fa misy ihany ny hala-botry saingy tsy betsaka. Mahatsiaro ho milamina ny ankamaroan’ny mponina noho izany. Azo hatao maodely tsara araka izany ity kaominina ity ho an’ireo kaominina namany hafa manerana ny Nosy.

 Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap