airtel

Fandriampahalemana

25-juil-2024

AMBOHIBE ILAFY

Jiolahy nanomana fanafihana, maty voatifitra ny 03

Sample post image

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

25-juil-2024

Jiolahy nanomana fanafihana mitam-piadiana miisa 03 no maty voatifitry ny polisin'ny USI afak’omaly Talata 23 jolay teny Ambohibe Ilafy. Efa-dahy izy ireo no nikononkonona io fanafihana io teny an-toerana saingy efa naharay angom-baovao mialoha ny Polisy. Natao ny vela - pandrika ka raikitra ny fifanjevoana. Maty voatifitra ny telo tamin'ireto jiolahy ireto ary mbola karohina ny iray hafa. Mpamerin- keloka amin’ny resaka halatra mitam-piadiana ny roa amin'izy ireo hoy ny vaovao. Nogiazana avy hatrany moa ny fitaovam- piadiana nampiasain’izy telolahy toy ny basy miisa 02 miaraka amin’ny bala miisa 04.
Pati
Legende : Ireo jiolahy lavo !
 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Henjana ny tsy fandriam-pahalemana, hany ka atoandro be nanahary mihitsy no manao

Card image cap