airtel

Fandriampahalemana

08-sept-2022

Fandriampahalemana

Ambohidraserika - Mahazoarivo Avy any Saropody ilay lehilahy namaky trano

Sample post image

Lehilahy iray, 20 taona monina ao Saropody no fantatra fa tonga namaky trano tany Ambohidraserika Mahazoarivo afak’omaly 06 Septambra tamin’ny 01 ora maraina.

08-sept-2022

Vokatry ny fiaraha-miasan’ireo vaomieran'ny Fokontany teny an-toerana no nahafahana nisambotra ity lehilahy ity tao amin'ny trano fonenany. Nandritra ny fanadihadiana nataon'ny Polisy no nahafantarana fa efa mpamerin-keloka ny lehilahy ary tompon'antoka tamin'ireo vaky trano niseho teny amin'ny manodidina ny datin'ny 13 jolay lasa teo. Mbola misy raharaha hafa hanenjehana azy ihany koa any amin'ny sampan-draharaha hafa. Tratra tao amin’ity lehilahy ity avokoa moa ny ankamaroan’ireo entana nangalariny nandritra izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap
19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap