airtel

Fandriampahalemana

17-juin-2022

Fandriampahalemana

Ambohijatovo Lehilahy 58 taona, tratra nangaro-paosy

Sample post image

Lehilahy iray efa 58 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny UIR ( Unité d’intervention Rapide) ary natolotra ny SUT (Sureté Urbaine de Tana(SUT) afak’omaly alarobia 15 Jona.

17-juin-2022

Tratra am-bodiomby teo am-panaovana harom-paosy ity lehilahy lehibe ity. Tafiditra indrindra amin’ny hetsika famongorana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana eny amin’ireo toby fiantsonan’ny fiara eto an-drenivohitra izao vokatra izao. Polisin’ny UIR nanao fanamiana sivily niambina teo amin’ny fiantsonan’ny fiara fitanteram-bahoaka teo Ambohijatovo no nahatsikaritra ny fisian’ity mpangalatra tratra ity. Mody misisika maka fiara izy saingy tsy miditra fa manararaotra ny fahabetsahan’ny olona mba hanaovana harom-paosy. Rehefa narahi-maso naharitra izy dia nosamborina rehefa tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro raha mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny. Natolotra ny SUT etsy Tsaralalàna avy hatrany izy hanaovana fanadihadiana. Niaiky ity lehilahy lehibe voasambotra ity fa harom-paosy no sisa hitany hamelomana ny tenany sy ny reniny tsy salama. Naiditra am-ponja vonjimaika omaly Ingahirainy rehefa avy nohenoina teo anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap