airtel

Fandriampahalemana

22-janv-2021

Fandriampahalemana

Ambohimanambola Tratra ny iray tamin’ireo namono zandary

Sample post image

Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy 20 minitra dia nahazo antso tamin’ny

22-janv-2021

 

 

 

 

Fokonolona eo amin’ny Fokontany Ambohibato, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, distrika Antananarivo Avaradrano, ny tobin-jana-paritry ny zandarimaria Ambohimanambola, fa misy trano iray nidiran'olona tsy fantatra ka novonoin'izy ireo ny olona mipetraka ao. Raha ny nambaran'ny mpilaza vaovao ilay niantso dia hoe Polisy no mipetraka ao. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary miisa 4 hijery ny tena zava-nitranga ka ny roa tonga nanakana ny lalana nitsoahan'ireo olon-dratsy. Ny fahatongavana teny an-toerana no nahafantarana fa zandary am-perinasa ilay nisy namono tao an-tranony ka tsindrona antsy no natao taminy. izy irery no tao amin’io trano io, hoy ny fanamarinana. I GPCE Randriamanalintsoa Guy Robena, marikisa 14.991, miasa ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Boeny io niharan'ny famonoana io. Efa any an-toerana ny kaomandin'ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra. Efa misy lehilahy iray anisan'ny nahavanon-doza no tratra amin'izao. Misokatra ny fanadihadiana ahafantarana ny anton'ny famonoana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray farany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap