airtel

Fandriampahalemana

30-déc-2021

Fandriampahalemana

Ambohimiandra Andoharanofotsy Jiolahy 3 lavon'ny balan'ny zandary

Sample post image

Andian-jiolahy maromaro nirongo basy no niara-nanafika tetsy Ambohimiandra Fokontany Ambohimala kaominina Andoharanofotsy ny talata tokony ho tamin’ny 12ora alina.

30-déc-2021

 Nopitsohan’ireo jiolahy ny trano, ary norahonana hamoaka vola ireo olona 4 mianaka tao an-trano, notereny hamoaka vola ny tao an-trano. Tsy nisaron-tava, ary ny iray ihany no nanao arovava, hoy ny fanazavana. Vola 40000Ar monja niampy ny entana samihafa no norobain’izy ireo. Nobatain’ireo olon-dratsy ny entam-barotra ilaina andavanandro (PPN) isan-karazany, ny entana tao an-trano toy ny vilany, "amplificateur"sy "baffle", TV écran plat,…. Niantso ny zandary kosa ny manodidina ny lasibatra ka vetivety dia tonga teny an-toerana izy ireo ka nanao ny fanarahan- dia ireo mpanafika tokony ho tamin’ny 1ora mahery kely. Teo Amin'ny digue atsinanan-dry mopera Bevalala hihazo ny tananan-dry masera eo Ambohimanala no nifanehatra tamin' ireo jiolahy ireo Zandary satria vao nahita ny fiaran'ny zandary izy ireo dia nitifitra ka namaly ny mpitandro filaminana. Noho izany, 03 no voatifitra ka maty teo ho eo ny roa, ary teo an-dalana hotsaboina kosa ny iray. Ny ambiny izay tombanana ho 3 ka hatramin’ny 5 kosa tafatsoka nitsoaka tany an-tanimbary. Tavela teo avokoa ny entana nangalarin izy ireo, ary voalaza fa efa nisy toerana fanafenan’izy ireo izany. Efa naterina eny amin ny "morgue' ireo faty izay tsy mbola fantatra ny momba azy ireo hatramin’ny omaly.
Toky R sy Patti


 

Dans la même rubrique