airtel

Fandriampahalemana

02-août-2022

Fandriampahalemana

Ambohitriniandriana Anosikely - Ankazobe Lasa tanàna haolo, nitsoaka ny mponina

Sample post image

Simba tanteraka ny asa fiharian'ireo mponina ao amin'ny tananan'Ambohitriniandriana Anosikely, distrikan'Ankazobe.

02-août-2022

Taorian'ilay fandorana olona velona miisa 32 tany an-toerana ny faran'ny herinandro teo mantsy dia lasa maty lolo avokoa ny mponina ka tsy vitsy ireo lasa nifindra monina. Fianakaviana miisa 6 ireto lasibatra ireto, raha ankizy daholo kosa ny 15 tamin'ireo namoy ny ainy. Tohana mafy noho ity tranga ity noho izany ny fikambanana miaro ny zon'olombelona CNIDH izay nidina ifotony tany an-toerana. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa manana zo hiaina amim-pilaminana sy ao anatin'ny fandriampahalemana ny mponina ka tokony hojerena akaiky. Tsy azo ekena hoy izy ireo ny vono olona toy ny vono moka tahaka izao ka tokony hatao hazalambo hatrany ireo mpanao ratsy. Mbola karohina moa ny naman'ireo telo mianadahy ahihiana.
Nangonin'i Pati
Legende : Lasa haolo tahaka izao ilay tanàna
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap