airtel

Fandriampahalemana

17-juil-2024

Ambositra II

Hita ny vatan’ilay lohan’olona tao anaty rano

Sample post image

Ny alahady 14 jolay lasa teo no nahitana lohan’olona nifono «sachet »

17-juil-2024

tao amin’ny reniranon’Ambohiponana Ambositra II, izay nampivarahontsana ny mponina. Nandeha ny fanadihadiana, ka fantatra fa lehilahy iray antsoina hoe : « Maître Haja » coach amin’ny taranja fitezam-batana na fitness no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Nanomboka ny alakamisy 12 jolay lasa teo izy no tsy nandrenesam-baovao, ary misy ny nilaza fa vao nahita azy ny zoma maraina. Ny mpiara-miasa akaiky aminy kosa nilaza fa nilaza ho an'ny Ihosy izy tamin'io andron'ny alakamisy io, hoy ny fanazavana. Nisy anefa ny loharanom-baovao nilaza fa misy razana hita tsy misy lohany tao amin'ny Fonkotany Andriambelonomby, Kaominina Ambositra II. Olona sendra nandalo hiasa no nahatsikaritra ka napandre ny manodidina. Razana nasitrika anaty lavaka, notsidriana vato, rehefa avy nodorana no hita omaly tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Tapaka avokoa ny vanin-taolana rehetra, saingy mbola teny aminy ireo peratra nahafataran'ny havany azy eny am ratsa-tanany, ka nahalalana fa i Maître Haja ity maty tamin’ny fomba feno habibiana ity. Naterina teny amin'ny Morgue CHRR Volafotsy moa ny razana, ka mandeha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminanana. Efa nirosoana ny fisavana ny trano fonenany tao Ambohimpierenana. Nipetra-drery rahateo itompokolahy fahavelony raha ny fanamarihana. Olona tena goavana sy matanjaka ity Maître Haja ity, ary tena olon’ny fiarahamonina raha ny fanamarihana, ka heverina fa lonilony goavana sy vono olona efa tena tsara homana no nanjo azy.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

Card image cap
07-févr-2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

Card image cap
06-févr-2025

Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty

Card image cap