airtel

Fandriampahalemana

22-juil-2022

Fandriampahalemana

Ampamantanana Noraisim-potsiny teo am-pamakiana trano ilay lehilahy

Sample post image

Lehilahy iray 25 taona no nosamborin’ny Polisy afak'omaly 20 jolay tokony ho tamin’ny 08 ora alina teny Ampamantanana rehefa tratra ambodiomby teo am-pamakiana trano.

22-juil-2022

Jiolahy efa fatatry ny maro eny amin'iny faritra iny ity lehilahy ity. Mpanao hala-botry sy vaky trano an-toerana sy ny manodidina mantsy izy ary efa andrasa-potsiny. Tranon’olona iray monina tsy lavitra ny arabe no saika novakian’ity farany ka hitan’ny manodidina tamin'io alina io. Nifampiantso ny mpiray vodirindrina ka nitsoaka ilay jiolahy, ary nifanenjehana. Tratran’ny olona tsy lavitra teo anefa izy ka saika niharan’ny fitsaram-bahoka. Rehefa naheno ny angom-baovao ny polisy miasa teny an-toerana dia nandray ny andraikiny avy hatrany. Tsy nahatondra na inona na inona moa ity mpangalatra ity tamin'ny fotoana nahatrarana azy.
Pati
Legende : Ity ilay olon-dratsy tratra

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap
19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap