airtel

Fandriampahalemana

21-nov-2022

Fandriampahalemana

Ampandrana Vehivavy roa sy lehilahy iray tratra avy namaky trano

Sample post image

Lehilahy miisa roa sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo ny Zoma hifoha Sabotsy teo tokony ho tamin’ny 2ora latsaka fahahefany maraina teny Ampandrana rehefa namaky trano.

21-nov-2022

 Polisy nanao fisafoana no nahatsikaritra olona telo mivimbina gony no sady mampiahiahy ny fihetsiny. Rehefa nahatazana ireo polisy ireto olon-dratsy dia saika hitsoaka ka raikitra ny fisamborana. Tra-tehaky ny polisy izy telo mianadahy noho izany ka rehefa nosavaina ireo gony dia kilalao sy kiraro ary kojakojan-dakozia maro isan-karazany no hita tao. Noentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana ka hiakatra fitsarana anio Alatsinainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mianadahy
 

Dans la même rubrique