airtel

Fandriampahalemana

16-nov-2021

Fandriampahalemana

Amparibe Voasambotra ireo 5 lahy nanafika manampahefana

Sample post image

Dimy lahy no voasambotry ny SCUSI (Service Central des Unités Spéciales d’Interventions) teny Amparibe ny alahady 14 novambra

16-nov-2021

 teo raha mbola teo am-panafihana tokatranon’olona manana andraikitra ambony eto amin’ny Firenena. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina dia naharay antso avy amina Polisy monina eny Amparibe ny Polisy avy ao amin’ny USI mahakasika ny fisiana andian’olona mitam-basy mihanika andrin-jiro ary mikasa hanafika tokantrano iray eny an-toerana. Manoloana izany dia tonga teny an-toerana avy hatrany ity sampan-draharaha manokan’ny Polisy ity ary tsy nisalasala nandray andraikitra hisamborana ireo olon-dratsy izay mbola tao amin’ilay trano notafihiny tamin’io fotoana nahatongavan’io Polisy io. Nanidy tena tao amina efitrano iray ireo olon-dratsy. Na dia efa nasaina hivoaka sy hitolo-batana aza izy ireo dia mbola niziriziry tamin’ny heviny hatrany. Hany ka voatery nitifitra ny varavarana ireo Polisy. Voasokatra ilay varavarana ka voasambo-belona avokoa ny efa-dahy nanao ilay fanafihana. Ny 01 tamin’izy ireo no naratra teo amin’ny tanany. Rehefa nizaha ny zava-nisy ny Polisy sy ny tompon-trano dia hita fa nisy solosaina iray tsy hita. Noho izany dia nitohy ny fikarohana teo amin’ny manodidina ny ilay toerana ka lehilahy 01 no tratra niaraka tamin’ilay solosaina. Nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny CSP5 Mahamasina avy hatrany ireo lehilahy miisa 05 voasambotra ireo sy ny mpiambina 03 tao amin’ilay tokantrano izay ahiahiana ho mpiray petsapetsa tamin’ireo olon-dratsy. Nilamina tanteraka ny toe-draharaha tokony tamin’ny 02 ora maraina. Efa hita teny an-toerana ihany koa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Polisim-pirenena. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto izy 5 lahy
 

Dans la même rubrique