airtel

Fandriampahalemana

19-mai-2025

AMPEFILOHA

Lehilahy tratra nanosika moto halatra

Sample post image

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

19-mai-2025

nandritra ny fisafoana mandeha an-tongotra nataon’izy ireo ny alin’ny Zoma 16 Mey teo, tetsy akaikin’ny lalam-by Ampefiloha. Tsikaritry ny Polisy izy teo am-panosehana moto izay tsy nisy fanalahidy ity lehilahy ity ka nasaina nijanona ho hadihadiana. Rehefa natao ny fisavàna dia hita fa tsy nanana taratasy manamarina fa azy ilay moto ilay ranamana ka nentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy. Tamin’io alina io ihany oa dia nisy filazana navoakan’ny onjam-peo iray momba ny fahaverezan’ny moto iray teny Antsahavola, ary voamarina fa ilay moto tratra teny Ampefiloha io very io rehefa nitondra ny taratasy manamarina izany ny tompony.
Pati
Legende : Any am-ponja sahady no hanohizan’ity tovolahy ity ny fiainany !
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona

Card image cap