airtel

Fandriampahalemana

27-janv-2021

Fandriampahalemana

Analamahitsy Tratra ilay mpangalatra entana anaty fiara

Sample post image

Lehilahy iray 26 taona no tratra nangalatra zavatra tao anaty fiara teny akaikin’ny

27-janv-2021

 

fianarana Charmilles eny Ivandry ny Alatsinainy lasa teo. Taorian’ny fitarainana nataon’ireo olona mipetraka eny amin’iny manodidina ity toeram-pianarana ity sy ny fitoriana napetrak’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny amin’ny fisian’ity lehilahy ity izay mangalatra ny entana ao anatin’ireo fiara mijanona eny an-toerana dia nandray fepetra manokana ireo polisy miasa eny amin’iny faritra iny mba hisamborana azy. Tao anaty fiaran’olona mihitsy no tratra ity lehilahy io tamin’io afak’omaly alatsinainy io, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Fiara efa nipetraka aloha io nidirany io. Nosamborin’ny Polisy avy hatrany ity farany. Mbola tratra teny aminy ny solosaina entin-tanana iray sy poketra iray. Nentina namonjy birao avy hatrany izy taorian’izany natao famotorana. Tsiahivina moa fa ity lehilahy ity no jiolahy fahatelo voasambotry ny polisy amin’ny fangalarana entana sy fitaovana ao anatiny fiaran’olona mipetraka eny amin’ny sisin-dalana tahaka izao.

Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap