airtel

Fandriampahalemana

27-août-2021

Fandriampahalemana

ANDAVAMAMBA Mpanao gazety nendahina jiolahy miisa 4

Sample post image

Mpanao gazety mpaka sary iray no fantatra fa niharan'ny halatra nataona jiolahy miisa efatra omaly tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany maraina, teny Andavamamba, lalana rarivato na « pavé » mihazo an'Anosipatrana.

27-août-2021

Handeha hamita iraka any Antsirabe ilay mpanao gazety nandritra izany ka saika haka ny namany mpanao gazety iray mipetraka eny Andavamamba no izao lasibatry ny jiolahy izao.Nandeha taxi moa izy ireo ka lasibatra ihany koa ilay mpamily.Novelesin’ireo jiolahy tamin'ny vodibasy poleta teo an-tampon-dohan’ity farany. Nalain'izy ireo koa ny findainy sady no nasainy nivoaka ny fiara ity mpamily.Tsy nivoha kosa ny varavarana teo amin'ilay mpanao gazety ka nitsofoka avy eo amin'ny varavaran'ny mpamily sy avy aoriana ireo jiolahy mpandroba. Nalain'izy ireo kosa ny firavaka volafotsy teny an-tendany, niampy ny sakaosiny misy fakan-tsary sy solosaina hampiasaina ary vola. Avy eo, mbola nodarohan'izy ireo tamin’ny vodibasy ihany koa ny firifany havanana.Nisy peratra volamena 2 teny an-tanany. Ny 1 (chevalier) izay lasan'ireo jiolahy. Saika hotapahan'izy ireo tamin’ny antsy moa ny rantsan-tanan’ilay mpanao gazety misy ilay peratra 1 ambiny.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique