airtel

Fandriampahalemana

11-mai-2022

Fandriampahalemana

Andilamena Voatsatok’antsy ary tsy nisy maso intsony ilay ramatoa

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana any Antanambaovao distrikan'Andilamena. Ramatoa iray no maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana ny faran’ny herinandro teo tany an-toerana.

11-mai-2022

Vadina polisy efa nodimandry ity ramatoa ity hoy ny loharanom-baovao ary ary nipetra-drery. Raha ny fitantaran'ny fianakaviany sy ireo olona mahafantatra azy dia mbola namonjy ny fety nokarakarain'ny polisy Ratompokovavy tamin’ny sabotsy teo. Filohan'ny fikambanana FIVAPO rahateo izy tamin’ny fotoan’androny hoy hatrany ny vaovao.Nangataka ny hody anefa izy rehefa nigadona ny tamin’ny 05 ora hariva. Nisy hafatra tonga rahateo tamin’ny findainy hoy hatrany ny vaovao azo. Niantso an-tariby ny polisy, ny fianakaviany, ny mpiray monina aminy anefa ny zanany mipetraka lavitra tamin’ny alatsinainy teo mba hijery io reniny io satria tsy nety tratra antso mihitsy izy nandritra ny 2 andro.Rehefa niantsoantso azy anefa ny olona dia tsy nisy namaly mihitsy tao an-tranony. Voatery nitsikilo teo am-baravarankely ireto farany noho izany noho izany saingy ny vatana mangatsikan'ilay ramatoa sisa no hita tao. Tsatok'antsy miisa efatra no hita tao an-damosiny raha araka ny fantatra ary efa tsy teo amin’ny toerany intsony ny masony roa. Nanjavona ihany koa moa ny findain-dRatompokovavy.
Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap