avy amin'ny Zanak'i Maribotry , Filoham-pokontany ao Bepeha kaominina Andohanilakaka. Bela sy Zelandongo ary Solo sy ny namany ireo mpietraketraka izay efa mpamerin-keloka. manana dosie eny amin'ny fitsarana Ihosy mahakasika vono olona sy halatra omby, raha ny vaovao avy any an-toerana.
Efa ho herinandro no tonga ao amin’ny Brigade ilay ST (soit transmis) kanefa tsy misy tohiny . Hitan'ny mpitandro filaminana tsara ny toerana misy ireoo olona ireo fa dia tsy misy fisamborana . Malaza ratsy ho mpitarika ny fangalana tsy ara-dalàna ny 10% sy ampahatelon'ny vidim-bato amin'ireo vahoaka mpitrandraka safira ao BEPEHA izay tsy manaiky handoa vola. Rehefa tsy manaiky azy ireto ny vahoaka dia ravain'ilay amtsoina hoe BELA ny fananana toy ny trano, tanimbary ary horohoroina amin'ny basy, roahina hiala tsy hipetraka eo an-tanàna ny olona.Tetsy ankilan'izay, sy nahazaka ny fangalan'i BELA an-keriny ny tanimbariny sy ny ondriny i JUSTIN ka nametraka fitoriana teny amin'ny fitsaana Ihosy.Efa voatazona vonjimaika eny amin'ny zanadry i SOLO fa i BELA sy ZEMANDONGO kosa mbola miriorio ao an-tanàna tsy misy mpisambotra ka mihorohoro ny mponina.
"Matahotra izao fampihorohoroana izao ny mponina ka mandositra mankany iiakaka miala ny tanànany sy mandao ny asa fivelomany », hoy ny fampitam-baovao. Raha ny vaovao farany moa dia tonga nanao bemidina hisambotra azy 3 lahy malaza mampihorohoro vahoaka ireto ny zandary omaly alakamisy, saingy efa tsy hita intsony izy ireo.
Nangonin'i RTT
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona