airtel

Fandriampahalemana

21-juin-2022

Fandriampahalemana

Andoharanofotsy Nahitana fatim-behivavay tao anaty Dalle

Sample post image

Akory ny hahatairan’ireo olona teny Andoharanofotsy omaly. Vehivavy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo mantsy no nifatotra gony ny tendany raha araka ny vaovao azo ary nisy nanary tao anaty dalle.

21-juin-2022

Teo akaikin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe miazo an’Ambohijanaka no nahitana ny razana, izay karazan’irony mpiantsena vao maraina irony raha araka ny tombatomban’ireo nanatri-maso. Zary lasa faritra mena mihitsy mantsy iny lalana miazo an’Ambohijanaka iny amin’izao, indrindra raha vao maraina. Betsaka ireo mpanendaka sy mpangaram-paosy no miandry fotsiny ireo mpiantsena sy mpaka entana izay nomarihin’ireo nanatri-maso hatrany fa misy mahavita mamono mahafaty mihitsy ny sasany. Mbola tena maizina rahateo ny amin’ny 05 ora maraina amin’izao noho ny toetr’andro ririnina izay tena mampahazo vahana ireo mpanao ratsy tokoa. Ahiahian’ny sasany araka izany ny mety ho nisian’ny olona namono ity vehivavy ity teny an-toerana na koa novonoina tany amin’ny toeran-kafa izy dia natsipy tao anaty dalle avy eo. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hamaritra izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap