airtel

Fandriampahalemana

14-juin-2021

Fandriampahalemana

Andohatapenaka Jiolahy mpanakan-dalana iray no matin’ny polisy

Sample post image

Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy, iray hafa azo sambo-belona. Io no vokatry ny hetsika nataon’ny polisy nisamborana ireo andian-jiolahy

14-juin-2021

 

 

 

nitondra basy sy antsy lava nanao sakan-dalana tamin'ny alalan’ny sarety miisa 03 teny Andohatapenaka ny faran’ny herinandro teo. Taxibe nitondra mpivarotra legioma vao maraina no tratran'ity sakana ity ka lasan'izy ireo tamin'izany ny vola sy firavak'ireo olona tao anaty fiara. Fotoana fohy taorian'io anefa raha tsiahivina kely ny tantara dia tonga teny an-toerana ny Polisy ary mbola tsy lasa lavitra ireo jiolahy hoy ireo olona voatafika. Raikitra ny fanenjehana teny Ankasina no hita ireto andian-jiolahy ireto . Nisy ny fifandonana teo amin'ny roa tonta ka lavo tamin'izany ny jiolahy iray nitondra basy. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa raha tafaporitsaka kosa ireo jiolahy miisa roa. Fantatra ihany koa fa ankoatra ireo antsy lava nentin'ireo olon-dratsy ireo dia mbola basy kilalao indray no nentin'ireo jiolahy nanao ny asa ratsiny.

Pati

 

Dans la même rubrique