Raim-pianakaviana miisa roa mpividy omby no fantatra fa niharan’ny fakàna an-keriny tany Andonaka Fianarantsoa ary hita faty taty aoriana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin'ny Alatsinainy 10 Aogositra teo no niaingan’izy ireo tao Fianarantsoa, hihazo an’Andonaka hividy omby. Nandritra ny diany dia nampandre ny vadiny izy ireo fa nahazo omby, ka nangataka vola fanampiny. Nandefa vola tamin’ny laharana natolotra azy ireo ny fianakaviana tao an-toerana noho izany. Taty aoriana anefa dia nisy antso hafahafa tonga tamin’ny vadin'izy ireo, nilaza fa takalon’aina 20 tapitrisa Ar no takiana vao havotsotr'ireo mpanao ratsy izy roalahy. Teo no nahafantarana fa efa nalaina an-keriny ireto farany. Nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ny fianakaviana taorian'izany ka nanomboka ny fikarohana.Nisy lehilahy iray voasambotra vokatr'izany izay nanoro ireo namany sy ny toerana nisy ireo niharam-boina. Indrisy anefa fa efa vatana tsy nisy aina intsony no hita teny amoron-dalana. Tombanana efa ho andro maromaro no nahafaty azy ireo. Efa simbabe mantsy ny razana, ary nisy aza efa taolana sisa. Olona miisa telo moa no efa voasambotra tamin’ity raharaha ity ka ho entina eo anivon'ny fitsarana tsy ho ela ny raharaha.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo telolahy tompon'antoka tamin'ilay fakana an-keriny sy vono olona !
Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana