airtel

Fandriampahalemana

18-juil-2024

Andranokotona Anjozorobe

Raim-pianankaviana iray natao « kidnapping » hitakiana 8 tapitrisa Ar

Sample post image

Nisehoana fakana an-keriny indray tany amin’ny Faritra Anjozorobe iny omaly, raha ny vaovao voaray.

18-juil-2024

Raim-pianankaviana iray manam-bady aman-janaka no nisy naka an-keriny tany amin’ny Fokontany Ankidondona any amin’ny tanànan’Andranokotona, adin’ny iray miala an’Anjozorobe raha atao dia an-tongotra. Quartier-mobile nandeha nitondra olona tao amin’ny zandarimaria ny marain’ny omaly izy io raha ny fanamarihana, ary voalaza fa tao foana izy ny tontolo andro. Ny hariva anefa dia naharay hafatra (sms) ny tao an-tanàna, fa mila manatitra vola 8 tapitrisa Ar rahampitso zoma ary tsy mahazo mampandre ny mpitandro ny filaminana. Voalaza fa efa vita ny iraka nataony tao amin’ny zandary ka nandeha nody izy, adin’ny iray miala teo amin’ny biraon’ny zandary no misy ny tranony, ary bolona nanana olana tamin’ny resaka hazo ilay voalaza fa nateriny. Heverina fa teny an-dàlana nosy izany ny tenany no nisy nibeda. Tsy mety milamina ny resaka fakana an-keriny sy fitakiana vola tsy toko tsy forohana any amin’ity distrika ity.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Mpamily taxi-moto iray no voaendaky ny mpanao ratsy teo Ampanengenana Fokontanin' Andranonomby,

Card image cap
02-juin-2025

Nitranga fanafihana mahery vaika narahina vono olona tao amin’ny Fokontany Vohikely,

Card image cap