airtel

Fandriampahalemana

31-août-2021

Fandriampahalemana

Andranomanalina Nosavoritahan’ny mpanendaka efa-dahy ilay ramatoa

Sample post image

Ramatoa iray 24 taona avy niasa no nendahana lehilahy miisa 04 teny amin'ny Vorodamba omaly ny faran’ny herinandro teo.

31-août-2021

 Lasa tamin'izany ny poketra nisy vola 210.000 ariary sy finday marika Samsung s4 iray. Taitra noho ny horakoraka sy antso vonjy teny an-toerana ireo polisy niasa teny amin'ny manodidina ka avy hatrany dia nanenjika ireo mpanendaka. Tratra teo Andranomanalina ny iray tamin'ireo jiolahy ireo raha tafaporitsaka kosa ny 3 ambiny. Tsy hita teny amin'ity mpanendaka voasambotra ity ilay poketra fa lasan'ireo namany nitsoaka. Nentina teny amin'ny birao avy hatrany moa ity farany raha mitohy kosa ny fikarohana aton'ny Polisy hitadiavana ireo namany. Vao 19 taona monja ity tovolahy iray tratra ity.
Pati

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap