airtel

Fandriampahalemana

03-mai-2022

Fandriampahalemana

Andranomandevy Antsirabe Maty voatifitra teo amin’ny tratrany ilay jiolahy nikoizana

Sample post image

Lehilahy iray no lavon’ny balan’ny Polisin’ny UIR ao Antsirabe ary iray kosa azo sambo-belona ny 01 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 06ora hariva teny Andranomandevy noho ny fandrahonana ho faty.

03-mai-2022

Vantany vao nandrahona ilay olona ity lehilahy lavon’ny bala ny UIR ity dia niantso avy hatrany ny Polisy ao amin’ny Commissariat Central Antsirabe io olona io. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny Polisin’ny UIR nijery ny zava-nisy ka nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity. Rehefa izy teo an-tanan’ny Polisy dia mbola nikasa ny nandositra ka nanao tifi-danitra ny Polisy ho fampitandremana azy nefa tsy nijanona ihany ilay ranamana. Voatery nitifitra ireo polisy ka voatifitra teo amin’ny tratrany ity lehilahy ity. Marihana fa miisa telo izy ireo no nanao izao fandrahonana izao tamina toerana fisotroana zava-pisotro mahamamo iray. Rehefa lavo io lehilahy io dia voasambotra tsy lavitra teo ihany koa ny namany iray ary tafaporitsaka kosa ny namany fahatelo hafa. Efa naterina eny amin’ny tranom-paty ny razana ary noentina teny amin’ny kaomisaria ilay namany azo sambo-belona hanaovana famotorana. Marihana fa efa dahalo ikoizana ity maty voatifitra ity ary efa gadra nandositra tao amin’ny fonjan’Antsirabe ny volana novambra 2021 ka izao tratra izao. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay jiolahy maty voatifitra

 

 

Dans la même rubrique