Lazan’izy ireo fa mbola mandeha hatrany mantsy ny fiainam-pirenena ary milamina ny fandriampahalemana nefa ny mifanohitra amin’izany no tena zava-misy, indrindra fa ny hiainan’ireo mponina any ambanivohitra lavitra any. Ho an’ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano ohatra dia tapitra nikatona avokoa ny toeram-pivarotana rehetra omaly, hetsika fanairana ny Fitondram-panjakana. Haharitra telo andro izany, izany hoe : tsy hifarana raha tsy rahampitso Alarobia ho firaisankina hanehoana amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitondra fa tena mahatsiaro maharary izy ireo. Efa tena tsy matahotra intsony mantsy ireo dahalo hoy ny mponina. Sahy miditra any an-tokantranon’olona amin’ny andro atoandro no sady maka an-keriny. Tsy lazaina intsony ny vaky trano sy ny halatr’omby izay nambaran’izy ireo ombieny ombieny fa tena mila tsy ho zaka intsony ka tsy maintsy hanaovana hetsika fanairana. Fanontaniana napetrak’izy ireo araka izany ny hoe : mbola misy fanjakana ihany ve eto amintsika ?
Pati
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona