airtel

Fandriampahalemana

09-déc-2022

Fandriampahalemana

Androndra sy Anosizato Telolahy tratra nivarotra rongony mahery vaika

Sample post image

Lehilahy telo manodidina ny 22 taona ka hatramin'ny 35 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin'ny

09-déc-2022

zava-mahadomelina ny 07 desambra teo teny Androndra sy Anosizato rehefa nivarotra rongony mahery vaika toy ny héroïne. Isan'ny hironan'ny tanora maro ankehitriny ny fidorohana zava-mahadomelina noho izy ireny miparitaka loatra. Manoloana izany dia misy ny ezaka hataon'ny polisim-pirenena hamongorana izany . Fonosan-drongony 43 isa sy rongony 1,2 kg ny iray raha nahitana 47 fonosana kosa ny iray no tratra tany amin’izy telo mirahalahy ireto. Niaiky izy ireo fa tena mivarotra zava-mahadomelina tokoa,ary hamidiny 1.000 ar ny fonosana iray. Ny folak'andron'ny 07 desambra io ihany dia tovolahy iray 25 taona no tratra nitondra héroïne teny Anosizato. Nandritra ny fanadihadiana dia nilaza ity tovolahy ity fa iraka fotsiny ihany fa tsy tena tompony. Natolotra ny fampanoavana omaly ihany koa izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mirahalahy
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap