airtel

Fandriampahalemana

06-juil-2021

Fandriampahalemana

Anjanahary Lehilahy iray tratra nangalatra vilany roa

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 25 taona ny tratra teny amin’iny faritra Anjanahary Cimetière iny ny 01 jolay lasa teo rehefa nitondra vilany miisa 2 (rice cooker sy cocotte minute) tsy fanta-piaviana.

06-juil-2021

 Tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro no nahatrarana io lehilahy io. Hafa fihetsika avy hatrany ity farany raha vantany vao nahita ireo polisy ka niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana azy ireto farany . Nandritra ny fisavana azy dia mbola nahitana fantsika sy karazana visy tany aminy ankoatra ireo vilany roa hita. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa entana vao avy nangalariny tamina tokatrano iray teny Ambatomainty ireo noentiny ireo. Taorian’ny nanolorana azy teo anatrehan’ny Fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy.
Pati


 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap