airtel

Fandriampahalemana

17-févr-2022

Fandriampahalemana

Anjanahary Manao sesilany ny vaky trano

Sample post image

Maro ny fitarainan’ny mponina eny amin’iny faritra Anjanahary iny noho ny resaka vaky trano izay nanao sesilany tato ho ato.

17-févr-2022

Nanao hetsika araka izany ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro ka lehilahy iray 33 taona no voasambotry ny Polisy teny amin’ny lalana Anjanahary akaikin’ny fiangonana katolika ny omaly alarobia 16 febroary tokony tamin’ny 2 ora sasany maraina. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nahatsikaritra ity lehilahy iray ity izay mampiahiahy. Rehefa nahatazana ny Polisy ity farany dia nirifatra nitsoaka avy hatrany ka niroso tamin’ny fisamborana ny Polisy. Rehefa nosavaina izy dia nahitana « pied de biche » 01 teny aminy. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ny lehilahy nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nanekeny ny heloka vitany ka nilazany fa azy io fitaovana io izay hanatanterahany ny asa ratsiny.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy tratra teny Anjanahary
 

Dans la même rubrique