airtel

Fandriampahalemana

03-août-2023

Fandriampahalemana

Anjomaha Tanambao II Nisandoka ho mpitandro ny filaminana ireo mpanendaka

Sample post image

Aleo mailo hatrany amin’izao rehefa mahita olona kaodikaody sy hafahafa fihetsika mitonona ho mpitandro ny filaminana.

03-août-2023

Lehilahy miisa roa 22 taona sy 23 taona no tratra nitonona ho mpitandro ny filaminana tao Tanambao II Toamasina omaly Alarobia 02 aogositra tokony ho tamin'ny 02 ora maraina. Olona sendra nandalo teo Anjomaha no nosandohan’ ireto olon-dratsy ireto tamin'ny asa ratsiny. Mody nosakanany izy ireo ary mitonona ho mpitandro ny filaminana izy roalahy amin’izany. Hanendaka anefa no tena anton-dian’izy ireo saingy miandry ireo olona hatahotra azy fotsiny. Niantso Polisy avy hatrany anefa ireto farany ka voasambotra izy roalahy. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Fantatra fa tsy mpitandro filaminana velively izy roalahy fa fomba iray nentina hanakanany ireo izay saika hoendahiny izany. Mbola karohina moa ireo naman’izy mirahalahy hafa zatra ny lalan-dririnina mpanao ity asa ratsy ity ao Toamasina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Dans la même rubrique