airtel

Fandriampahalemana

27-janv-2021

Fandriampahalemana

Anjozorobe Mirongatra isam-pokontany ny asan-dahalo

Sample post image

Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny kaominina ambanivohitra Marovazaha, distrikan’Anjozorobe.

27-janv-2021

 

 

 

 

Saika lasibatra avokoa ny Fokontany 24 isa raha araka ny fanazavan-dRakotondrainy, Ben’ny Tanàna any an-toerana. Asesin’ireo jiolahy ireo tokantrano sendra azy hitadiavany vola sy fananana. Misy mikatsaka sy mitady vehivavy haolana mihitsy aza ny sasany, antony manosika ireo zaza amam-behivavy hatory any an-tsaha rehefa alina ny andro. Tsy nitazam-potsiny manoloana izany ny Fitondram-panjakana fa nametraka ny kaomisarian’ny polisy any an-toerana, foto-drafitrasa vaovao vao natsangana.Afak’omaly no notanterahina ny fametrahana ny vato fototry ny asa, natrehin’ny lehiben’ny distrikan’Anjozorobe. Nambaran’ity farany tamin’izany fa ny hampandry fahalemana ny vahoaka no tena tanjon’ny Fanjakana, indrindra ao anatin’izao maitso ahitra, fotoana tena manahirana ny vahoaka izao. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana moa dia mampitaraina fatratra ireo mponina ao amin’ity kaominina ity ihany koa ny haratsian’ny lalam-pirenena fahatelo ka tsy hahafahan’izy ireo mamoaka vokatra sy mifandray amin’ireo faritra manodidina azy.

Pati

Dans la même rubrique