airtel

Fandriampahalemana

07-janv-2021

Fandriampahalemana

Ankadinondry Sakay-Vono sy fanolanana 3 lahy sy 1 vavy niboboka am-ponja

Sample post image

Ny zoma 25 desambra 2020 tokony tamin'ny 07 ora hariva, dia nisy tovovavy iray antsoina hoe Fanja, 17 taona,

07-janv-2021

 

sendra nirahin'ny Ray aman-dReniny, kinanjo teny andalana hody dia nisy vehivavy iray atao hoe Rovatiana sy tovolahy miisa 3 nanakan-dalana azy. Tampoka teo ilay vehivavy tonga dia nidaroka azy ka tsy nahatsiaro tena izy ary avy eo kosa ireo tovolahy 3 dia nanolana tambabe azy. Marihina fa tsy nahatsiaro tena mihitsy io tovovavy voaolana io nandritra ny andro maro ka nananosarotra ny fanadihadiana. Rehefa nandré izany ny Zandarimaria dia nanokatra famotorana ahafantarana ireo nahavanondoza. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa tovovavy mpivarotena ilay atao hoe Rovatiana, izay tompon’antoka amin'ity raharaha ity, hoy ny zandarimariam-pirenena omaly. Ireo tovolahy kosa dia i Sanga sy i Hery ary i Rado. Io Sanga io no naniraka an'i Rovatiana mba hampila an'i Fanja mba ho azy. Tsy nanaiky anefa i Fanja ka izay nohatonga ny daroka nasetrin'i Rovatiana azy, ary fanolanana kosa no nataon'i Sanga sy ny tariny. Natao ny fifanatrehana nandritra ny famotorana ka voamarina ireo voina nanjo an'i Fanja izay tao anaty tsy fahatsiarovan-tena nandritra ny habibiana nataon'izy 4 mianadahy. Natolotra ny fampanoavana omaly 06 janoary 2021 ny raharaha ary naiditra amponja vonjimaika ireo nahavanon-doza. Ankasitrahana ny fahaizamanaon'ireo mpanao famotorana nahatrarana ireo jiolahy 3 nanolana, hoy ny zandary.

Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap