airtel

Fandriampahalemana

06-déc-2021

Fandriampahalemana

Ankaramena - Fianarantsoa Tratra ireo jiolahy nanendaka ny mpiasan’ny ONG Sahy

Sample post image

Jiolahy miisa 3 no saron’ny Polisy tao Androy ny fiandohan’ny volana volana desambra teo tao Ankaramena - Fianarantsoa rehefa avy nanendaka sy nanao herisetra tamin’ireo olona mpiasan’ny Ong Sahy

06-déc-2021

. Raha tsiahivina kely ny tantara dia lehilahy miisa efatra nitondra moto mpiasan'ny ONG Sahy no nendahin’izy ireo ka lasany tamin'izany ny vola sy ny tablety. Vokany, naratra mafy izy efa-dahy. Na izany aza niantso vonjy avy hatrany tamin’ireo polisy nanao sakana tsy lavitry ny fokontany Ankaramena ireo niharam-boina ka nahafahana nisambotra ny roa tamin’ireo jiolahy. Rehefa natao ny fisavana ireto farany dia nahitana antsy lavalela teny am-balahiny. Nitohy hatrany ny fikarohana ilay namany ka ny marainan'ny 02 desambra teo dia tratra tao Ankaramena ity farany. Marihina fa tratra tany amin’ity farany ny tablet y sy ny vola rehetra.
Pati
Legende : Ireto izy 3 lahy jiolahy nanendaka ireo mpiasan’ny Ong Sahy
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap