airtel

Fandriampahalemana

08-juin-2022

Fandriampahalemana

Ankazomanga, Tsaramasay Tratra ireo 3 lahy mpamaky trano sady mpanendaka

Sample post image

Tovolahy telo no tratran’ny polisy miasa ao amin’ny PPA4 manodidina an’Ankazomanga, Tsaramasay, Antohomadinika ny alatsinainy 06 jona teo rehefa namaky trano sy nanendaka.

08-juin-2022

Tokony ho tamin’ny folo ora alina rehefa nanao ny fisafoana mahazatra ireo polisy miasa manodidina an’Ankazomanga dia nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamina tovolahy iray ka rehefa natao ny fanaraha-maso dia tratra teo am-panendahana ity farany ary nosamborina avy hatrany. Tratra manodidina teo ihany koa tovolahy roa izay nahatrarana bisikileta vao avy nangalarina tamina trano iray akaiky teo, ary hita tamin’izy ireo ihany koa ny fahitalavitra sy lecteur vao avy norobaina. 34, 23, ary 21 taona ny taonan’izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana dia fantatra fa efa misy raharaha miandry azy ireo ao amin’ny biraon’ny polisy PPA4 ary efa nisy tamin’izy ireo ihany koa no efa mpamerin-keloka.
Nangonin’i Pati
\Legende : Ireo mpangalatra sy mpanendaka tratra
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap