airtel

Fandriampahalemana

22-août-2022

Fandriampahalemana

Ankorahotra Antsy sy basy kilalao no handrahonan’ireo jiolahy mpandalo

Sample post image

Lehilahy iray no saika lasibatry ny mpanendaka teny Ankorahotra omaly tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany maraina.Nodidinina lehilahy miisa telo ny tenany raha ny vaovao azo.

22-août-2022

Nambanan'izy ireo tamin'ny antsy sy basy kilalao izy ary norahanonany mba hamoaka ny vola sy ny zavatra rehetra teny aminy. Niezaka ny nanohitra ilay niharam-boina ka nodarohin'ireto jiolahy izy. Niezaka ny niantso vonjy ihany koa ka nanampy ity niharam-boina ireo manodidina. Nandritra izany no nahasamboran'izy ireo ny iray tamin'ireo mpanao ratsy. Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka ity jiolahy ity ary efa naratra ny faritry ny lohany raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa. Tonga teny an-toerana ireo Polisy miasa ao amin'ny boriborintany faharoa naka ity tovolahy ity. Noentina teny amin'ny toeram-pitsaboana ilay jiolahy naratra nanaraka fitsaboana talohan'ny nitodrana azy teny amin'ny biraon'ny polisy.
Legende: Ity ilay jiolahy voasambotra saika efa matin’ny fitsaram-bahoaka
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap