airtel

Fandriampahalemana

19-mai-2022

Fandriampahalemana

Anosibe Angarangarana Tratra nivarotra heroine ilay Maorisiana

Sample post image

Lehilahy, teratany Maorisianina iray 50 taona no saron’ny misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina Anosy teny Anosibe Angarangarana afak’omaly 17 Mey tokony ho tamin'ny 06 maraina rehefa nivarotra héroïne.

19-mai-2022

Tratra tao an-tranony mihitsy ity tera-tany vahiny rehefa nokarohina sy nanaovan’ny Polisy ao amin'ny STUP fidinana ifotony. Teo am-pivarotana mihitsy izy no tratra. Nahitana kitapo iray nisy heroine milanja 250 grama izay efa voazarazara anaty fonosana kely miisa 250 tao aminy. Hita tao niaraka tamin'izany koa ny "mixeur" iray izay fitaovana fangaroana héroïne. Araka ny fanadihadihana natao taminy dia fantatra fa Afrikana iray no mamatsy héroïne azy ary izy indray no mivarotra azy avy eo. 60.000 Ar no hividianany ny 01 grama raha ny filazany hatrany. Efa nigadra 10 taona teny Tsiafahy izy ny taona 2011 ka hatramin'ny 2017 noho ity resaka fivarotana heroine ity ihany.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap