airtel

Fandriampahalemana

06-avril-2022

Fandriampahalemana

Anosipatrana Basy kilalao no nampiasain’ilay mpamaky trano

Sample post image

Lehilahy iray no nosamborin’ny Polisy miasa ao Ilanivato omaly 05 aprily teny Anosipatrana tokony ho tamin’ny 01 ora maraina rehefa avy namaky trano.

06-avril-2022

Naharay antso an-tariby tamina olona tsara sitrapo ny avy ao amin’ny paositry ny polisy Ilanivato milaza fa misy olona telo mihanika trano iray eo akaikin’ny trano fonenan’izy ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nisy ka vantany vao nahataza avy lavitra ireo Polisy ny jiolahy dia nandositra avy hatrany ka ny tompon-trano efa naratra no novantanin’ny Polisy. Araka ny nambaran’ny tompon-trano izay niharan’ny fanafihana dia niditra ankeriny tao an-trano izy ireo ary nanambana basy ny tompon-trano. Nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana ka izay no nahatratra ity lehilahy ity. Marihana fa mbola tratra teny aminy ihany koa ny basy kilalao iray.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap