airtel

Fandriampahalemana

24-juin-2022

Fandriampahalemana

Anosivavaka Ambohimanarina Tratra ilay mpanendaka sy mpanararaotra vehivavy

Lehilahy iray, 31 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina omaly Alakamisy 23 jona tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

24-juin-2022

Nanositosika io vehivavy io izy no sady nanararaotra nangarom-paosy, tranga niseho teo amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe faritra Anosivavaka Ambohimanarina. Anisan’ny fomba fiasan’ity mpangalatra ity raha araka ny fanazavany ny mody miara-miakatra amin’ireo mpandeha ho ao anaty zotra 162 ka mandritra izany no hanaovany ny asa ratsiny.Roalahy izy ireo no miara-misisika ary ataony eo afovoany ny olona kinendriny. Nandritra izany no hanatsofohany ny tanany any anaty kitapo izay nahazoan’izy ireo ny vola mitentina 700.000 ar tao anatiny. Nidina teo amin’ny fiantsonana manaraka ny Sanifer kosa izy ireo rehefa nahazo izay ilainy ary niampita tamin’ ny taxibe iray hafa 194 izay zotra mandeha mifanohitra amin’ilay zotra 162. Niantso Polisy avy hatrany moa ilay vehivavy ka tra-tehaka ny iray tamin’izy ireo raha tafatsoaka kosa ny namany hafa.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique