airtel

Fandriampahalemana

13-juin-2025

ANOSIZATO ATSINANANA

Jiolahy vao avy nivoaka ny fonja, maty voatifitra

Sample post image

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

13-juin-2025

Jiolahy iray vao nivoaka ny fonja ny volana Desambra lasa teo no fantatra fa nanao ny asa asa ratsiny mahazatra teny amin'ny faritra Anosibe sy ny manodidina ka maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana. Mampiasa antsy maranitra ity jiolahy ity ary teo am-panendahana mpandeha an-tongotra handeha hody izyny harivan'ny 11 Jona teo teny Anosibe nifanehatra tamin'ny Polisin'ny CUI sy UIR Tsaralalàna. Tsy nanaiky nosamborina fa nitari-dositra avy hatrany Ingahirainy. Rehefa tapi-dalan-kaleha anefa ny anaolahy tonga teny Anosizato Atsinanana dia nampiasa ny antsy teny aminy hamelezana ny Polisy ka maty vokatry ny tifitra nahazo azy.
Pati
Legende : Miampy hatrany ny isan’ireo jiolahy mahazo saran-dalana mankany amin’ny varo tsy mifody !
 

Dans la même rubrique