airtel

Fandriampahalemana

28-mars-2022

Fandriampahalemana

Anosizato Atsinanana Ny taizan’ny tompon-trano ihany no nitondra jiolahy

Sample post image

Lehilahy iray 19 taona no tratra namaky trano teny Anosizato Atsinanana ny 26 martsa teo tokony ho tamin' ny 4 ora hariva.

28-mars-2022

Avy nifanenjehan'ny fokonolona izy no nenjehin'ny Polisy ka tratra soamantsara. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahafantarana fa avy namaky trano niaraka tamin'ny namany ity lehilahy ity. Lasan'ireo namany ny kojakojan-dakozia sy ny panneau solaire, batterie…. Fantatra fa olom-pantatr'ilay vaky trano sady efa nipetraka tao aminy ihany ity tratra ity ary izy no nampiditra ireo jiolahy hafa hamaky ny tranony. Nentina tao amin'ny CSP5 Mahamasina ity lehilahy voasambotra ity hanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tratra niaraka tamin’ny vilany ilay lehilahy
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap