airtel

Fandriampahalemana

02-juil-2021

Fandriampahalemana

Anosy Voaendaka izy mianaka avy nandevina

Sample post image

Mpianaka avy nandevina no nisy nanendaka teo akaikin’ny biraon’ny Antenimierandoholona Anosy afak’omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva

02-juil-2021

.Jiolahy miisa 6 no nanendaka azy ireo tamin’izany raha handeha hody eny Tanjombato. Lasan'iretsy voalohany tamin’izany ny kara-panondrom-pirenena sy finday ary vola. Nodarohany sy noratrain'izy ireo koa izy mianaka raha mbola nopotehan'izy ireo ny motony."Nijanona teo Anosy teo am-pitan'ny Sénat izahay mba hividy nem kinanjo nisy lehilahy 2 nila vaniny taminay izay lasa 6 tampoka teo, hoy izy mianaka. Tsiahivina moa fa vao tamin'ny taon-dasa no nisy talen'ny EPP matin'ny mpanendaka ihany koa teny Anosy, rehefa avy nanatitra antontan-taratasy tany amin'ny sefo ZAP lehibeny. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia nisy tamin’ireo olona nahita ny zava-nitranga nahazo azy mianaka ihany koa no mbola namono ilay raim-pianakaviana.

Pati

 

Dans la même rubrique