airtel

Fandriampahalemana

29-sept-2021

Fandriampahalemana

Antananarivo Raikitra ny “patrouille” amin’ny alina

Sample post image

Niditra an-tsehatra avy hatrany halina ireo tompon'andraikitra amin'ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana notarihin'ny Minisitrin'ny Fiarovam-pirenena, taorian’ny fivorian’ny OMC

29-sept-2021

notarihin’ny Praiminisitra. “Manoloana ny fiverenan’ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro eto Antananarivo dia nohamafisina ny "patrouille" iraisana ary miasa ihany koa ireo fiara amin’ny fanatanterahana izany mba hiarovana ny vahoaka indrindra amin'ny alina”, hoy ny fampitam-baovao. Nanara-maso ny fametrahana izany sy ny fiparitahan’ireo miaramila, zandary ary polisy ireo Minisitra telo tonta io omaly alina io tokony tamin’ny 10 ora. Ny tanjona dia ny handrakofana ireo faritra voalaza fa mafana rehetra hahafahan'ny vahoaka miaina am-pilaminana, hoy ny fampitam-baovao. Irariana mba hiteraka vokatra, ary haharitra fa tsy sanatria hiredareda am-boalohany toy ny afo-mololo.
Toky R
 

Dans la même rubrique