airtel

Fandriampahalemana

16-avril-2021

Fandriampahalemana

ANTANIAVO ANTOHOMADINIKA Tovolahy 18 taona tratra nanendaka

Sample post image

Tovolahy iray vao 18 taona monja no nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny PPA4 Antaniavo teny Antohomadinika ny talata 13 aprily 2 lasa teo.

16-avril-2021

 

Nanendaka sy nanao sinto-mahery izy io raha ny fantatra. Tokony ho tamin’ny 06 ora hariva teny amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe eo Antohomadinika no nahatrarana azy. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany. Nandritra ny fanadihadiana natao ity tovolahy ity moa dia niaiky ny heloka vitany izy fa efa hatramin’ny faha 14 taonany no efa nanao sinto-mahery teny amin’ny Arret Mahitsy, Jesosy Mamonjy ary eo amin’ny Vatomanga. Nambarany fa tamin’ity volana ity dia efa tsy latsaky ny 05 ny finday azony tamin’ireo toerana ireo. Nanondro ny namany 02 lahy ihany koa izy izay mbola karohina ankehitriny.

 

Pati

 

Dans la même rubrique