airtel

Fandriampahalemana

25-avril-2022

Fandriampahalemana

Antaniavo Antohomadinika Voasambotra ilay mpangalatra finday nampiasa facebook

Sample post image

Voasambotry ny Polisy ny PPA4 Antaniavo Antohomadinika izay nanao fisafoana ny marainan’ny sabotsy teo tao amin'ny fokontany III G Hangar Antohomadinika ilay mpanendaka finday teny 67 ha ny herinandro teo izay tsy

25-avril-2022

nisalasala nanao “Story” tao amin’ny tambazotra Facebook an’ity olona nendahany ity. Niteraka resabe tao anatin’ity tambazotran-tserasera ity moa mazava ho azy ny tranga niseho na tamin’ny fotoana nakan’ity olon-dratsy ity ny sariny ho anaty zoro fahatsiarovana ny tontolo andro na izay antsoina hoe “story” izay fa vao mainka nampitombo izany sy nahatsikaiky ny maro koa ny naha voasambotra azy tamin’iny sabotsy iny. Tetsy ankilany dia mbola nisy olon-kafa nilaza ho nahatratra olona nampiasa ny Facebookny nisy nangalatra hafa koa tamin’iny sabotsy iny ihany ary raha toa ka nosokajian’ny maro ho havendranana no nataon’ilay iray teo alohany dia nosokajiana ho havendranana avo roa heny kosa no nataon’ilay mpangalatra faharoa ity satria dia tena fanelezana na ilay antsoina hoe “publication” teo amin’ilay facebookn’ilay nanaovany asa ratsy mihitsy indray no nataon’ity voalaza ho tratran’ny tompony tamin’ny sabotsy teo ity. Andrasana moa ny valin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana manomboka amin’ity anio ity.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap