airtel

Fandriampahalemana

30-juin-2022

Fandriampahalemana

Antohomadinika Manendaka sady mamono mahafaty ireo olon-dratsy

Sample post image

Tena faritra mena amin’ny asa fanendahana ny eny Antohomadinika. Tsy vitan’izay very fananana ireo lasibatra fa mbola voavono ihany koa toy ny nahazo ny lehilahy iray nandalo teny an-toerana ny marainan’ny 25 jona lasa teo.

30-juin-2022

Nifanena tamina tovolahy 32 sy 23 taona ny lehilahy tamin’io andro io. Mpanendaka anefa ireto farany ka sady nosintoniny ny kitapon’ilay lehilahy no nodakany mafibe ihany koa mba hianjera. Nenjehin’ny polisy avy hatrany izy roa lahy ka tratra tsy lavitra teo ny iray izay nitondra ilay entana halatra, tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro, raha tafaporitsaka kosa ilay namany iray. Tsy nitsahatra nikaroka anefa ny polisy ka tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro no voasambotra koa ny iray rehefa nahazoana angom-baovao. Tafaverina soa amantsara tamin’ny tompony ny entany raha natao fanadihadiana kosa izy roalahy ary efa nalefa eny am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpanendak’olona eny Antohomadinika
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap