airtel

Fandriampahalemana

24-juin-2022

Fandriampahalemana

Antoko politika MMM Nanome fotodrafitrasa zandary ao Vakinakaratra

Sample post image

Notanterahana ny 22 jona teo tao amin’ny kaominina Ambatomena, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, ny fanolorana “poste avancé”

24-juin-2022

ho an’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana. Fotodrafitr’asa izay fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana avy amin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga ary ny solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe II no nahafahan’ireo vahoaka nisitraka izany, hoy ny fampitam-baovao. Trano vaovao ahitana birao miisa 7 sy efitrano fatoriana miisa 7 ho an’ireo zandary miasa ao no natolotra. Tonga tany an-toerana nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny antoko politika MMM, Hajo Andrianainarivelo, sy ny loholon’I Madagasikara voafidy teto Antananarivo. Efa ela, hoy ny filohan’ny MMM, no nanasa hoe tongava ny ben’ny tanana saingy raha tsy niala tamin’ny toerako aho angamba dia tsy tanteraka izany. Misaotra an’Andriamanitra fa afaka nandeha teto Ambatomena indray, hoy izy. Ny faniriana dia mba handry fahalemana i Ambatomena ary ho tamana aty koa ireto havantsika zandary izay avy nananganana fotodrafitrasa ireto ka dia atolotray 3 mirahalahy amin’ny anaranay am-pitiavana be izany, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo.
J. Mirija
Legende: Hajo Andrianainarivelo, filohan’ny MMM
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap