ny tompon'ilay trano, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria omaly. Tany Antsapanimahazo, Faratsiho, ny alin'ny 28 mey lasa teo no nitrangan’izany, hoy ny fanazavana. Voalaza fa niaraka tamin'ny sarety mihitsy izy ireo. Efa nodoran'izy ireo ny gony nisy ireo vary mba tsy hahafantaran'ny tompony azy. Nametraka fitoriana ny tompon'ny vary very. Voasambotra izy ireo rehefa nandeha ny fanadihadiana. Niampy 2 lahy izy 3 lahy ireo. Ny iray mpanaraka akaiky izay tany alehan'ny tompom-bary sady mandefa sms. Ny iray kosa no mpaniraka sy mpanome ny andro sy fotoana mahamety ny halatra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Tonga ara-potoana tany amin'ny mpitandro filaminana ny vaovao
Hanova zavatra maro eo amin'ny asa