airtel

Fandriampahalemana

14-sept-2021

Fandriampahalemana

Antsirabe Sarona ireo mpamaky trano kalaza

Sample post image

Nisesy tato ho ato ny vaky trano tao Antsirabe, kanefa nahitam-bokany ihany koa ny ezaky ny Polisim-pirenena. Jiolahy nambara’ny mpitandro filaminana fa efa kalaza no

14-sept-2021

 sarona tamin’izany ka nahatratrarana karazan’etana halatra isan-karazany toy ny biskileta am-polony, “baffle” sy zava-maneno, solosaina entin-tanana sy ny maro hafa. Saika toerana maro tao Antsirabe moa no nitrangan’ny vakitra io ary efa nampimenomenoa ny maro izany ary dia izao nahatratrarana jiolahy niisa roa izao. Ny nahagaga, rehefa nantsoina avokoa ireo olona niharan’ny vaky trano dia tsy nisy azy ireo ny ankamaroan’ny entana afa-tsy ny biskileta iray ihany no efa nisy naka, ka mbola azon’ny rehetra tratry ny vaky trano jerena ireo entana eny amin’ny biraon’ny polisy ireo. Efa natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy, hoy ny fampitam-baovao voaray avy any Antsirabe.

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap